<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>P. Nilsen-Lund</author>
<hymn_number>214</hymn_number>
<title>Finaritra, ry Tompo o! FFPM214</title>
<lyrics>[V1]
 Finaritra ry Tompo ô !
 Ny mankafý ny teninao
 Sy mankatò ny didy.
 Ny helony esorinao,
 Ny sainy hohavaozinao,
 Ka afaka hifidy
 Ny lova sarobidy.

[V2]
 Ny teninao no rakitra
 Sy tokin'ny mpandefitra,
 Fa teny manan-kery ;
 He ! ao dia voasoratra
 Ny Aminao Mpanavotra,
 Fa Hianao irery
 Ny avotry ny very.

[V3]
 Ny teninao no vatsinay
 Manohana ny dianay,
 Sakafo mahasoa
 Sy ampy hivelomanay,
 Ka ao am-parany indray
 Ho azonay tokoa
 Ny lovan'ny mpanoa.</lyrics>
</song>